TENY FANOLORANA

Kolosiana 3 / 17

Ary na inona na inona no ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin’ny alalany.

NY CHAPELLE AO SOATANANA

Ity Fifohazana’ny Mpianatry ny Tompo ity dia tsy toy ny teo aloha intsony, ka hiditra amin’izay mandray azy manatona azy, fa efa tonga MISONA toy ny antokom-pinoana misy : Katolika, FLM, FJKM… na akambana amin’izay Fifohazana vaovao. Tsy avonavona na rehareha, fa mijoro ary mitana ny FAMPIANARANA izay napetraky ny FANAHY MASINA ka nampanaovin’ny an’i Dada Rainisoalambo 13 mianadahy tany am-piandohana :

  • Manorina Fiangonana
  • Manao batisa
  • Mampandray ny Fanasan’ny Tompo
  • Misy atao hoe : « Fifohazana », nefa hita fa mifanohitra amin’ny Fampianaran’i Soatanana.
  • Fantaro ny zavatra rehetra, ka hazony mafy izay tsara (I Tes 5 /21)
  • Aza mino ny fanahy rehetra fa izahao toetra ny fanahy (I Jaona 4/1)
  • Ny kendren’ny Mpinatry ny Tompo dia :
  1. Ny hitory ny FIBEBAHANA amin’ny jentilisa : (Matio 4/17 : 10/7 ; 17/30)
  2. Ny hitory ny Didim-PITIAVANA amin’izay efa nibebaka (Jaona 13/34-35)
  3. Ny hitory ny FIRAISANA amin’ny kristianina samy hafa finoana (Jaona 17/21)
  4. Ny mpianatry ny Tompo dia manao Fametrahan-tanana ho fiasana fahazoan-tsodrano sy famelan-keloka ary Fanahy Masina (Marka 10/16 ; Lioka 13/3 ; 28/8 ; I Tim 4/14 ; Jaona 20/22)
  • Ny fametrahan-tanana anefa dia tsy azo atao afa- tsy amin’izay olona mangataka
  • Izay olona mandray izao FAMPIANARANA izao ka maniry ho tonga mpampihofa ny hafa sy ho mpitaiza ka atokana ho MPIANDRY, ary dia manana fahefana
  • Ny mpianatry ny Tompo (izay atao hoe koa mpifoha na hiara-mivavaka isaky ny 9 juin sy ny 10 Août, ka ny raikitra rehetr a azo mbanin’ny vokatra (vola) azo amin’izany dia alefa manontolo aty Soatanana, hikarakarana ny asan’ny Fifohazana an-kapobeny. Fanampin’izany, dia mahazo miara-mivavaka araka izay ifanarahany izy.
  • Izany ary ry hava-malala ao amin’ny Tompo no fotopoto-javatra momba ny fifohazan’ny Mpianatry ny Tompo irinay ho fantatrareo. Ary indro ny fotopototry ny tantaran’izao fifohazana izao ho hitanareo ao amin’ny pejy manaraka.
fanokanana confirmation ao Soatanana
RAINISOALAMBO MIANAKAVY TAO SOATANANA

Ingahy RAINISOALAMBO, dia nanao sy nitondra ary nampitatra araka izay azony natao, sy izay anjara nomena hataony. Ary rehefa hiala amin’izao fiainana izao izy, dia nikarakara mafy sy nametraka SOLO hitondra sy hiadidy izao Fanjakan’Andriamanitra izao

Izay niatombohan’ny Fifohazana voalohany tamin’ny taona 1893 ; fa ny nilatsahan’ny FANAHY MASINA dia tamin’izy 13 mianadahy, ka nanaovany FANEKENA tamin’ny 9 juin (17 Adimizana) 1895 ; io no tsarovana isan-taona ka tantaraina isaky ny 9 juin

Dia nametraka sy nikarakara izay hisolo azy izy, ka nanafatra fa hisy fivoriana ho an’ny Fifohazana, dia ny 9 juin sy ny 10 Aout izay tsy mbola nisy akory tamin’izany, ka nametraka teny 15 Loha izay hoheverin’ny fivoriana rehefa tongan y 10 Aout 1904.

Soatanana Ingahy Rainisoalambo ary nalevina ny Asabotsy 2 jolay 1904 ka tsy nanatrika ny niatombohan’ny 10 Aout izay naoriny.

Izany ary tompoko no azo ambara, ka anjarantsika ny manatanteraka izay voalaza ato

Ny zavatra mampieritreritra anefa dia ity :

  • Misy faritany sasany mampiasa ny volan’ny 9 juin sy ny 10 Aout amin’ny raharaha hafa noho izao voalaza izao. Angamba tsy fahalalana ny antony mazava no nahatonga izny ???
  • Misy koa mandefa ihany, nefa kely foana, izany hoe : Ampahany ihany. Tsy fahalalana koa ve no mahatonga ireo manao izany ??? Sa ahoana ?

Hoy i Dada Rainisoalambo teo am-pialan’ny ainy farany : « Tandremo dia tandremo ny volan’ny Fifohazana fa VOLA MASINA »

Hoy ihany koa izy nanao hoe : « Ary izaho dia milaza aminareo fa vita ny anjara izay nomen’Andriamanitra hataoko, ka tsy misy tsy voalazako aminareo na inona na inona. Ka handeha amin’izay handehanako aho, ary indro ny FAMPIANARANA, ka izay hitàna, dia mitanà, ary izay hanary, manaria ».

Dia mamangy sy manao veloma anareo amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo izahay

Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo (I Kort 15/58).

« Fa ny mpananatra dia ny Fanahy Masina, izay irahin’ny Ray amin’ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo ». (Jaona 14/26)

MPIANATRY NY TOMPO AO SOATANANA

Jaona 13/ 34 - 35

Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.

Fiangonan’ny Fifohazan’ny mpianatry ny tompo Soatanana eto Madagasikara,niandoha tao Ambatoreny

Fifandraisana

© 2024 Created with FITIATECH