FANDAHARANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA AMIN'NY FIARETAN-TORY

FIARETAN-TORY

Isaky ny TALATA sy SABOTSY
Dinidinika fanentanana ny olona handray anjara amin’ny vavaka, vakiteny, hiresaka Fampianarana ; indrindra mba hitandro ny Fahamasinana ka hanao hira milamina vokatry ny fo.Aoka tsy hisy hamono ny lahin-jiro manentona.
  1. Vavaka ataon’ny Mpitarika
  2. Hira 270« Avia Jehovah Tomponay» 
  3. Vavaka ataon’ny Vehivavy 2 na 3 mifandimby
  4. Hira 110« Avia Fanahy ô»
  5. Vavaka ataon’ny Lehilahy 2 na 3 mifandimby
  6. Hira 109«Ry Fanahy Masina ao Ambony»
  7. FAMPIANARANA
  8. Hira 317 « Jesosy ô, avia midina»
  9. Vavaka
  10. FOTOA-MALALAKA, HIRA SY VAVAKA mifandimby, elanelanin’ny Vakiteny na Fampianarana arakaraka izay hanetsehan’ny Fanahy ny olona
  11. FAMARANANA NY FOTOANA ;HIRA 309 « Mandrahona ahy ny maizina» Vavaka nampianarin’ny Tompo (iarahan’ny rehetra manao)
  12. Hira 501 « Arovy aho Tompo»

Jaona 13/ 34 - 35

Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.

Fiangonan’ny Fifohazan’ny mpianatry ny tompo Soatanana eto Madagasikara,niandoha tao Ambatoreny

Fifandraisana

© 2024 Created with FITIATECH