Ary na inona na inona no ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin’ny alalany.
Tamin’ny Alahady 9 jona 17 adimizana taona 1895, dia namory ny ankohonany efa nibebaka ireo Rainisoalambo ka nandeha tao Anendaka, vala nisy an-drainy hanao FANEKENA fa hivavaka. Ary izao fanekena 7 izao no nataony.
Hanao bango volo ny vehivavy (fa tsy hanao volo vona na randram-bolo) ; ary ny lehilahy tsy ho lava volo (tsy hanao sanga) fa izay no maha mendrika ny kristianina.
Hodiovina ny trano homendrika ho trano fivavahana. Ny tokotany hodiovina madio tsara. Hanao lakozia hanaovana afo, ary ny biby na vorona sns… dia atokana tsy hiray trano amin’ny olona
Hanao saha ka hamboly hazo sy zava-pihinana hahabe ny hanina.
Hatomboka amin’ny fivavahana izay rehetra atao mba hisy fitahiana.
Rehefa maty ; dia lamba sy akanjo fotsy madio no hifonosana (tsy hamonoana omby na hofonosina lamba mena) fa fandanim-potoana izany ; fa atao tsotra. Izay ahafatesana no hilevenana.
Kolosiana 3 / 17 Ary na inona na inona no ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin’ny alalany.

Izy no Raiamandreny nitondra ny voalohany ny Fifohazana, nanomboka tamin'ny taona 1894 no nitondrany fy Fifohazana ary nifarana tamin'ny taona 1904 rehefa nodimandry izy tamin'ny 30 Jona 1904, teo amin'ny 10 taona teo no nitondrany izao Fifohazana izao.

Izy indray no Raiamandreny nitondra ny Fifohazana, rehefa nodimandry i Dada RAINISOALAMBO, nanomboka tamin'ny taona 1904 no nitondrany ny Fifohazana ary nifarana tamin'ny taona 1919 rehefa nodimandry izy tamin'ny 20 Jona 1919, teo amin'ny 15 taona teo no nitondrany izao Fifohazana izao.

Izy no Raiamandreny fahatelo nitondra izao Fifohazana izao, rehefa nodimandry i Dada RAINITIARAY, nanomboka tamin'ny taona 1919 no nitondrany ny Fifohazana ary nifarana tamin'ny taona 1930 rehefa nodimandry izy tamin'ny 30 Avrily 1930, teo amin'ny 11 taona teo no nitondrany izao Fifohazana izao. Tsara ny mampahafantatra fa ao Ilafy Antananarivo izy no nilevina.

Izy no Raiamandreny nandimby an'i Dada RAGOSTINA, nanomboka tamin'ny taona 1930 no nitondrany ny Fifohazana ary niafara tamin'ny taona 1932 rehefa nodimandry izy tamin'ny 20 May 1932 tao Ambondrona, marihina fa any koa izy no nilevina. Tsara ho fantatra fa dia 2 taona monja no nitondrany izao Fifohazana izao.

Izy no Raiamandreny nandimby an'i Dada RAPETERA, nanomboka tamin'ny 10 Aogositra 1932 no nitondrany ny Fifohazana ary niafara tamin'ny taona 1960 rehefa nodimandry izy tamin'ny 26 Aprily 1960. Naharitra 28 taona teo no nitondrany izao Fifohazana izao.

Izy no Raiamandreny fahaenina nitondra izao Fifohazana izao,nandimby an'i Dada RAJOELINA, nanomboka tamin'ny 29 Jolay 1960 no nitondrany ny Fifohazana ary nifarana tamin'ny taona 1987 rehefa nodimandry izy tamin'ny 16 Aogositra 1987,teo amin'ny 27 taona teo no nitondrany ny izao Fifohazana izao.

Izy no Raiamandreny nandimby an'i Dada RANDRIANAIVO Benjamin, nanomboka tamin'ny 18 Oktobra 1987 no nitondrany ny Fifohazana ary niafara tamin'ny taona 2002 rehefa nodimandry izy tamin'ny 19 Septambra 2002, naharitra teo amin'ny 15 taona teo no nitondrany izao Fifohazana izao.

Izy no Raiamandreny nandimby an'i Dada RAMANOELY, izy no nitondra izao Fifohazana izao nanomboka tamin'ny 12 Oktobra 2002 ka mandraka-ankehitriny.

« Feno ny voninahitr'i Jehovah ny trano » (II Tant 7 : 1 )


ao Antaninarenina (Soatanana II)
Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.
Fiangonan’ny Fifohazan’ny mpianatry ny tompo Soatanana eto Madagasikara,niandoha tao Ambatoreny
© 2024 Created with FITIATECH