NY 15 OKTOBRA 1894

Kolosiana 3 / 17

Ary na inona na inona no ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin’ny alalany.

NY CHAPELLE AO SOATANANA

Ny fahaleovantenan’ny Fifohazana dia niandoha tamin’i Dada Rainisoalambo 13 mianadahy. Nampanaovin’Andriamanitra Trano Firaketana izy ireo hivavahana aminy Nanorina trano Fiangonana tao Andohamahavanona tamin’ny taona 1896, ary ny tao Ambodirano tamin’ny taona 1900. Nanao batisa sy nampandray ny Fanasan’ny Tompo koa Rainisoalambo tamin’ny volana Avril 1902 ; ary naniraka Apostoly hitory Filazantsara eran’ny faritany ko izy tamin’ny 2 Jolay taona 1899. « Fanorerana izao ataoko izao hoy Rainisoalambo, fa hianareo no hampitatra sy hampitombo azy ».

Nandimby azy i Dada Rainitiaray tamin’ny 10 Aout taona 1904. Tamin’ny taona 1906 no nanorenana ny Trano Firaketana ankehitriny izay miorina eto Soatanana io. Tamin’ny taona 1907, tamin’ny andron’i Dada Rianitiaray no nipoiran’ny fifanolanana voalohany. Rahefa nihalehibe ny toby ka nandroso ny asa noho ny fahasoavan’Andriamanitra, dia tonga tao an-tsain’ny Misionera nitondra an’i Soatanana tamin’izay ny hevitra hampiasa ny volan’ny Fifohazana mba handoavana ny karaman’ny Pastora sy ny Katekista.

Nanda mafy dia mafy i Dada Rainitiaray sy ny namany ka noroahina tamin’ny fiangonana Norveziana tao Soatanana. Koa dia voatery nangataka tamin’ny Fanjakana ireo tamin’izany fotoana izany.

Tao Ankarina atsinanan’ny tananan’i Atsimba eo ankarenana eo no nisy io fiangonana io. Nony afaka 42 taona taty aoriana indray tamin’ny andron’i Dada Rajoelina, dia niseho ny fifanolanana lehibe naharitra (5) dimy taona (1949-1954) ka nahatonga izao fisarahana izao. Tamin’ny taona 1948, dia tonga Ingahy kornera Hansen, misionera loterana nitondra ny distrikan’i Soatanàna. Ary rahefa nipetraka teto izy dia nanao 1951 (Boky foto-dalàna). Hoy izy « Tsy avelako raha tsy voafantsika ao anaty vata-paty ity Fifohazana ity ».
Izao izany foto-dalàna izany :

  1. Soloina ny Raiamandreny rahefa antitra fa tsy mazava saina intsony.
  2. Ny Raiamandreny, tsy mahazo maniraka Apostoly samy irery tahaka ny tamin’ny andron’i Dada Rainisoalambo fa ny komity ao miara-manao izany aminy.
  3. Tsy mahazo mametra-tànana amin’ny Jentilisa ny Apostoly fa amin’ny mpandray ny Fanasan’ny Tompo sy ny olona vita batisa ihany.
  4. Tsy mahazo manokana Mpiandry ny Apostoly Iraka raha tsy mampandre ny misionera aty Sotanàna.
  5. Ny Pastora sy ny mpampianatra ny Apostoly koa.
NY CHAPELLE AO SOATANANA
Ny fanamiana maha Apostoly ny FFSM avy ao Soatanana

Rahefa nahare izany ny Apostoly dia nandroso nianatra. Nefa taty aoriana, dia nahatsiaro fa niala tamin’ny Fampianarana maha-mpiofana azy, ka dia nijanona niaraka tamin’izay. Tamin’ny volana Aout 1954, raha natao tany Andoharanomaitso ny fivorian’ny komitin’ny Distry, dia nisy fanapaha-kevitra tangarana nataon’ny misionera teto Soatanàna, fa hofoanana tanteraka ny fivorian’ny 17 Septambra fanaon’ny Mianatry ny Tompo eto Soatanàna fa tsy ny komity ihany. Ka ny fanafoanana azy, dia ny Fiangonana no nohidiany.

Mialoha io fivorian’ny komitin’ny Distry tany Andoharanomaitso io, ny Mpianatry ny Tompo teto an-toerana, dia efa niomana mafy ny amin’ny fivoriana, fa ny anya am-pielezana, dia efa nampandrenesina an-taratasy mba ho tonga.

Henon’ny misionera anefa io taratasy naelin’ny Mpianatry ny Tompo io ka dia mba nampiely hafa ko izy hisakanana ny any am-pielezana tsy ho tonga aty Soatanàna fa tsy misy ny fivoriana.

Kanjo tamin’ny 7 Janoary 1955, dia nanoratra ho an’ny namany sasany taty Antananarivo Mr le Sur Intendant ao Fianarantsoa, ary ny foto-javatra lehibe miaraka amin’ny taratasiny dia ny fanambarana ny fanapahan-kevitry ny komiten’ny Distry NMS ao Soatanàna ny amin’ny fanonganana ny Iraka tsy miray hevitra amin’ny misionera sy ny fanambarana ny tsy maha-isan’ny Fiangonana ao Soatanàna azy ireo intsony.

Vahoaka (733) telo amby telopolo sy fiton-jato izany no indray voatosika. Ary ny fampiharana ny fitsipika dia teny midina fa tsy mba misy dinidinika tamin’ny Iraka mialoha.

Tsy misy fiala-nenina na dia kely akory tamin’izany. Alahelo be no nameno ny fon’ny Mianatry ny Tompo raha nandre izany, satria tsy fitondra-tena ratsy na faharatsiana no namoahana izany didy henjana izany fa hevitra tsy mitovy.

  1. Ny misionera moa te ho tsy refesi-mandidy amin’ny filazana sy ny fanapahana ny Fifohazana, na amin’ny zavatra rehetra (andaniny).
  2. Ny Iraka koa nihazona mafy ny Fampianarana nomen’ny Fanahy Masina azy, raha tsy izany, dia aiza indray no maha Iraka azy ireo (ankilany) ? Ireo foto-kevitra lehibe ireo no fototry ny fifanolanana hatramin’izao.

Tamin’ny 14 Février 1955, dia nametraka Statut tany amin’ny Fanjakana tao Fianarantsoa ny Iraka mba hahazoana mikarakara tsy ho voaelingelina ny asa nomen’ny Tompo azy hataony, ka nangataka koa mba hahazo hanorina (chapelle) ao Soatanàna sy ho trano vato fiarahamivavaka no fiaraha-midinika ny raharahanm-pifohazana araka ny maha Fifohazana azy. Tamin’ny 17 Septambra 1955, dia tao amin’ny Trano Firaketana no nanaovana ny fivoriana fa efa nomen-dàlana hivavaka tao ny Mpianatry ny Tompo rehefa niala tao amin’ny Fiangonana Loterana.

NY CHAPELLE AO SOATANANA
Asa fanorenana tao Soatanana
  1. Nekena tamin’ny 7 Juin 1956, ary nivoaka tamin’ny Journal Officiel tamin’ny 7 Juillet 1956, ny Statut itondrana ny Fifohazana eto Soatanàna (Association Chrétienne dite Fifohazan’ny Mpianatry ny Tompo) na Fikambanana Kristiana atao hoe Fifohazan’ny Mpianatry ny Tompo.
  2. Nomen-dàlana koa ny Mpianatry ny Tompo hanorina trano vato lehibe iray atao hoe « CHAPELLE » ao Ambalatsileo Soatanàna.

Tamin’ny 02 Juillet 1956 no nandefasana ny fangatahana ary neken’ny fanjakana tamin’ny 23 Juillet 1956.

Tamin’ny 1er Aout ka hatramin’ny 3 Aout 1956 no nihadiana ny fototra, ka ciment 12 (roambinifolo) taonina no nanombohana ny asa voalohany. Ny halavany dia (50 m) dimampolo metatra ; ny sakany dia (20 m) roapolo metatra ; misy elany roa (2) izay samy (5m) dimy metatra isany ; ny haavony dia (9m) sivy metatra. Sary lakroa (croix) ity Chapelle ity.

Tamin’ny 26 Avril 1960, dia nodimandry i Dada Rajoelina. Tamin’ny 29 Juillet 1960, dia nitondra ny FIFOHAZANA indray Dada RANDRIANAIVO Benjamin, Apostoly avy ao Ambalavato Ambatoreny, araka ny fanoloran’ny Apostoly sy ny Mpianatry ny Tompo teto Soatanàna azy ny raharahan’ny Raiamandreny.

Tamin’ny taona 1961, dia nisy Apostoly vitsivitsy niresaka tamin’i Dada Rabenja fa tokony hangataka fahaleovantena amin’ny Fanjakana isika mba hahazoana manorina fiangonana manerana ny Nosy. Ary dia izao no navalin’ny Raiamandreny tamin’izany « Tsy mbola izao no fotoana, fa aoka hiandry kely » ary dia nolazainy taminy ny antony, ka samy nanaiky izy ireo.

Tamin’ny 15 Oktobra 1960 anefa, dia nisy Gazetim-panjakana nivoaka izay nilaza fitsipika ankapobeny momba ny Fikambanana, indrindra fa ny Fikambanam-pivavahana nekena araka ny lalàna tamin’ny 1er Juillet 1901 izay manome fetr’andro enimbolana mba hanaovany filazana ara-dalàna araka ny didy sy fitsipika manankery amin’ny soratra arahina amin’ny fanompoam-pivavahana eto Madagasikara. Hitsivolana N° 60-133 tamin’ny 3 Oktobra 1960, andniny faha 26, paragrafy 2.

Raha vao nahare io Hitsivolana io izahay (Ny Raiamandreny sy ny Apostoly Iraka) dia taitra, ka dia nanao fangatahana tany amin’ny Ministeran’ny Ati-tany any Antananarivo mba ho tonga Misiona mahazo manorim-piangonana manerana ny Nosy.

diabe hoany am_piangonana soatanana
asa fanorenana ao Soatanana

Fanampin’izany koa hoy ny Minisitry ny Ati-tany, rehefa mivoaka ny lalàna vaovao, dia tsy maintsy havaozina ny Fitsipi-pitondran’ny Fikambananareo (statut) mba hifanentana amin’ny lalàna ankehitriny Aotorizasiona N° 01950/DGI/ED tamin’ny 20 Marsa 1962.

Dia notanterahina izany rahefa nivoaka ny lalàna araka ny fepetra voalazan’ny Hitsivolana N°62-117 tamin’ny 1er Oktobra 1962 sy ny Didy Décret N°62-666 tamin’ny 27 Desambra 1962, ka natao kopia efatra mitovy, ny anakiray avy hoan’ny, ny lehiben’ny Fileovana, hoan’ny lehiben’ny Vakipivelomana ary hoan’ny Minisitry ny Ati-tany, ary dia nahazo RECEPISSE tamin’ny 1963 izany.

Tamin’ny 26 Oktobra 1963, dia nivoaka indray ny Gazetim-panjakana izay nanondro ny naneken’ny Filohan’ny Governemantan’ny Repoblika Malagasy ny fangatahana nataon’ny Mpianatry ny tompo ; nanaiky ny hananan’ny Fifohazana ny ZO maha MISIONA azy ka mahazo manorim-piangonana eran’ny Nosy araka ny Didy Décret N°63-586 tamin’ny 15 Oktobra 1963.

Isaorana Andriamanitra fa niverina amin’ny ZONY maha Fifohazana azy ny FIFOHAZANA, tahaka ny nanomezan’Andriamanitra azy tamin-Drainisoalambo 13 mianadahy. Koa dia miverina amin’ny ZO efa nananany tamin’ny taona 1895 sy 1902 izy izao ka :

Raha vao nahare io Hitsivolana io izahay (Ny Raiamandreny sy ny Apostoly Iraka) dia taitra, ka dia nanao fangatahana tany amin’ny Ministeran’ny Ati-tany any Antananarivo mba ho tonga Misiona mahazo manorim-piangonana manerana ny Nosy.

Fanampin’izany koa hoy ny Minisitry ny Ati-tany, rehefa mivoaka ny lalàna vaovao, dia tsy maintsy havaozina ny Fitsipi-pitondran’ny Fikambananareo (statut) mba hifanentana amin’ny lalàna ankehitriny Aotorizasiona N° 01950/DGI/ED tamin’ny 20 Marsa 1962.

Dia notanterahina izany rahefa nivoaka ny lalàna araka ny fepetra voalazan’ny Hitsivolana N°62-117 tamin’ny 1er Oktobra 1962 sy ny Didy Décret N°62-666 tamin’ny 27 Desambra 1962, ka natao kopia efatra mitovy, ny anakiray avy hoan’ny, ny lehiben’ny Fileovana, hoan’ny lehiben’ny Vakipivelomana ary hoan’ny Minisitry ny Ati-tany, ary dia nahazo RECEPISSE tamin’ny 1963 izany.

Asa fanorenana tao Soatanana

Tamin’ny 26 Oktobra 1963, dia nivoaka indray ny Gazetim-panjakana izay nanondro ny naneken’ny Filohan’ny Governemantan’ny Repoblika Malagasy ny fangatahana nataon’ny Mpianatry ny tompo ; nanaiky ny hananan’ny Fifohazana ny ZO maha MISIONA azy ka mahazo manorim-piangonana eran’ny Nosy araka ny Didy Décret N°63-586 tamin’ny 15 Oktobra 1963.

Isaorana Andriamanitra fa niverina amin’ny ZONY maha Fifohazana azy ny FIFOHAZANA, tahaka ny nanomezan’Andriamanitra azy tamin-Drainisoalambo 13 mianadahy. Koa dia miverina amin’ny ZO efa nananany tamin’ny taona 1895 sy 1902 izy izao ka :

  1. Manorina Fiangonana
  2. Manao batisa
  3. Mampandray ny Fanasan’ny Tompo
  4. Mamoaka Iraka

Izany no antony anaovan’ny Mpianatry ny Tompo rehetra manerana ny Nosy Fotoam-pivavahana lehibe ho fahatsiarovana ny nahazoan’ny FIFOHAZANA FAHALEOVANTENA ka niverenan’ny ZONY maha FIFOHAZANA azy indray. Ary tsarovana isan-taona izany

Jaona 13/ 34 - 35

Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.

Fiangonan’ny Fifohazan’ny mpianatry ny tompo Soatanana eto Madagasikara,niandoha tao Ambatoreny

Fifandraisana

© 2024 Created with FITIATECH