Ary na inona na inona no ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin’ny alalany.
RAINISOALAMBO dia Betsileo tao amin’ny vala atao hoe : « AMBALAVATO, Ambatoreny, faribohitr’i Mahazoarivo, vakim-pileovanan’i Fianarantsoa ».
Ny anaran’ny rainy dia RAINDRALA, reniny dia RENINDRALA. Sivy mianadahy no zanak’izy mivady ireo ka RAZAIMBOLA na RAINISOALAMBO no faralahy tamin’izy sivy mianadahy. Nandimby ny raharaha naton-drainy RAINISOALAMBO fa marambasia na mpitaiza Andriana Betsileo no raharahany. Ny maha Razaimbola azy, dia noho izy zandrin’ny zanak’Andriana natao hoe : « IVOLA » fa rehefa lehibe izy ka niteraka an’i Isoalambo, dia niova anarana ho Rainisoalambo. Rehefa lehibe i Rainisoalambo dia tonga marambisa tahaka an-drainy koa. Raha misy olona manana ady ka nanatona ny Andriana, dia mandamina izany izy
Taty aoriana, dia tonga toy ny mpisolovava izy, ka ny manana ady rehetra dia manatona azy, ary izay manatona azy dia maharesy satria efa za-draharaha tamin’ny fiarahana tamin’ny Andriana izy. Koa dia nataony antom-pivelomana izany. Hafa-tsy izany, araka ny maha-betsileo azy, ny fambolena sy ny fiompiana dia tena foto-pivelomany tokoa. Ary araka ny maha-jentilisa azy, ny sikidy sy ny fanompoan-tsampy dia nataony ho fanampin’ireo koa ho fahazoam-bola. Fanompohan-tsampy karazany maro no hain-dRainisoalambo ; dia fanandroana, ny ody havandra ny ody varatra, ny ody tolak’olona, ny firorotana, ets… fa ny hivavaka amin’Andriamanitra sy ny hiditra am-piangonana dia zavatra tsy fantany. Indray mandeha dia nisy mpitondra fiangonana « Indépendant » nanatona an’i Rainisoalambo ka niteny hoe : « hatao mpitondra fiangonana ianao Rainisoalambo ka sady hanam-boninahitra ianao no homena vola ho karama, ary ny karama dia hanina ambony ampanga fotsiny ». Dia nanaiky Rainisoalambo fa hanao izany izy. Nefa rehefa niverina avy tany am-piangonana izy dia mbola nanao ny sikidy fanaony ihany.
Tamin’ny taona 1893 anefa, dia nijery izany fahantran-dRainisoalambo ara-panahy izany Andriamanitra, ka dia tapa-kevitra fa hampivavaka azy. Aretina no nataon’Andriamanitra taminy, dia hidihidy na hatina hatrany antampon-doha ka hatrany ampaladiany. Tamin’izany aretina izany dia nampiasa sikidy sy ny fanampoan-tsampy maro samihafa fanaony, nefa tsy nisy nahasitrana azy. Ireo zanak’anabaviny dia efa nisy nahay sikidy sy fanandroana koa, dia Rajeremia sy Rainitiaray. Samy nalaina hanao fanafodin-dRangahy Rainisoalambo ireo nefa tsy nisy nahasitrana. Eo amin’izany fitsaboana ny aretina izany dia lany ny harena kely nananana, ny lamba rovitra ny hanina tsy nisy.
Indray mandeha, dia mba nindrana ireo zanak’anabaviny sy ny fianakaviany izy mba hiasa ny tanimbariny. Ka rehefa tonga ireo dia nataony bainga vaventy no fiasa ny tanimbary. Tsy vita indray mandeha anefa ny asa, koa dia mbola niverina fanindroany indray ny fiantsoany azy ireo, kanjo izao no valin-teniny : « tsy fanjakan’Andriana izao fa agnay mba hanao ny anay koa ». Dia nijanona tamin’alahelo Rainisoalambo. Ny aretina nihamafy, ny hanina tsy nisy, ny fitafiana rovitra, ary ny fianakaviana efa tsy nisy nanatona intsony. Tena tafalatsaka tamin’ny fahoriana lalina tsy mpanjo olombelona Rainisoalambo. Omby fito no sisa teo am-pelatanany, ka hoy Rainisoalambo indray andro : « raha mba olona mantsy ireo ombiko ireo, dia mba ho niasa ny tanimbariko sy nikarakara ahy » .
Indray andro rehefa nihamafy loatra ny aretina dia nisento Rainisoalambo ka niteny tsinahy hoe : « dia inona soasoa Andriamanitra no nataoko taminao no dia fadiranovana sy latsaka amin’ny fahantrana be toy izao aho ». Tsy ny andriamanitry ny sikidy na ny fanompoan-tsampy anefa no tsaroany tamin’izany, fa ny Andriamanitry ny Kristianina.
Noho izany fahatsiarovan-dRainisoalambo an’ Andriamanitra izany, raha nandry izy ny alin’iny, dia nahazo torimaso fa tsy nahare fanaintainana loatra intsony. Ary nahare feo avy tamin’Andriamanitra izy nanao hoe : « Ario ny aody Rainisoalambo ary avelao ny fanompoan-tsampy sy ny fomban-drazana rehetra izay nanohitra ny sitrapoko ka mivavaha amiko fa ho lasa sitrana ianao ».
Noho Rainisoalambo olom-boaantso ho mpiasan’Andriamanitra, dia tsy nitaredretra na nihanahana akory izy fa nanao izay nampanaovin’ Andriamanitra azy ka nanary niaraka tamin’izay ny fanompoan-tsampy rehetra.
Dia niala ny aretina ka natanjaka Rainisoalambo ary niverina tamin’ny heriny taloha indray izy.
Ireo fianakaviana koa mba tratry ny aretina ka ny sasany jamba, ny sasany kilemaina, ny sasany voan’ny mangotsoka, ny sasany voan’ny dridra ary ny sasany ferena sy tazoana.
Efa naharitra taona vitsivitsy no naha-toy izany ireo fianakaviana ireo. Dia nitoriteny tamin’izy ireo Rainisoalambo ka nanao hoe : « Aoka hibebaka ianareo ka hivavaka amin’ny Andriamanitra fa ho sitrana ». Izay nanaiky ny toro-hevi-dRainisoalambo ka nametrahany tànana dia sitrana tamin’ny aretina. Ary dia nisy roa ambiny folo mianadahy izy ireo, ary telo ambiny folo mbanin-dRainisoalambo, ka izany no nahatonga ny hoe « Rainisoalambo telo ambiny folo mianadahy »
Izao avy no anarany
Ary nampanaovin’Andriamanitra trano tao Ambalavato izy ireo dia ilay atao hoe « TRANO FIRAKETANA » ankehitriny, ka rehefa vita ny trano, dia namory ny ankohonany izay efa nibebaka Rainisoalambo ka nanao hoe : « Hivavaka ary isika ka dia hanao fanekena ».
Tamin’ny Alahady 9 jona 17 adimizana taona 1895, dia namory ny ankohonany efa nibebaka ireo Rainisoalambo ka nandeha tao Anendaka, vala nisy an-drainy hanao FANEKENA fa hivavaka. Ary izao fanekena 7 izao no nataony.
Ary rehefa vita ny fanekena tamin’io andro io dia nandeha nankeny Ambalavato amin’ilay trano namboariny izy ireo mba hiara-mivavaka amin’Andriamanitra. Ary tamin’io andro niraisany nivavaka io no nilatsahan’ny FANAHY MASINA tamin’izy ireo ka nanomezan’Andriamanitra hery azy. Tsy mbola nahita fifaliana tahaka izany izy ireo hatramin’izay naha-olona azy. Tamin’ny firaisan-kina sy fahazotoana fatratra no nanatanterahany ireo fanekena ireo. In-telo isan’andro no nanaovany ny fivavahana ao an-trano, dia ny maraina ny tolakandro tokony ho amin’ny efatra ora ary amin’ny alina avy misakafo. Ny alina sasany natao FIARETANTORY dia tratra andro maraina raha tsy sasatra loatra izy ; ka samy mivavaka daholo izy rehetra na lahy na vavy na kely na lehibe. Amin’ny andro anaovany fotoam-pivavahana, dia matetika NIHOROHORO ny trano. Raha any an-trano hafa ny sasany amin’izy ireo dia mihorohoro koa ny trano itoerany dia miezaka haingana ireo hamonjy ny namany amin’izay toerana ikambanana ivavahana hihaino toriteny sy fampianarana ataon-dRainisoalambo milaza ny zavatra rehetra izay atao. Amin’ny hery sy hafanana be no ivoahan’ny teniny.
Nasiany fandaminana toy izao koa ny raharaha :
Rehefa nihamaro ny olona, dia nanao Fiangonana tao Andohamahavanona Rainisoalambo tamin’ny 1896. Hitan’Andriamanitra ny fahantran’ny Madagasikara ara-panahy ka dia niteny tamin-dRainisoalambo izy hoe : « Te hamonjy ny oloko aho Rainisoalambo, koa mifidiana olona ianao ho APOSTOLY hirahiko hitory Filazantsara sy ho mpanoratra ny fanjakako izay hampanaoviko anareo ». Dia nifidy olona tamin’ireo izay efa nibebaka Rainisoalambo tamin’ny 20 Oktobra 1898. Izao avy no anarany : 1) Rasaia, 2) Rainitiaray, 3) Rainivaonoro, 4) Rajosia, 5) Rajaomaria, 6) Rajoela, 7) Rajaona Rajosvah, ary 8) Rajeremia no mpanotra ny zava rehetra. Rehefa nampianatra azy ireo valo volana Rainisoalambo dia hoy Andriamanitra taminy « Avoahy amin’izay ary ny Apostoly ». Dia navoaka ary ny apostoly tamin’ny 02 Jolay 1899, ka ny dimy lahy tamin’izy ireo no nirahina fa ny sisa kosa hikarakara ny fanjakan’Andriamanitra ao an-toerana.
Izao no anaran’izy dimy lahy : « Rainitiaray, Rasaia, Rainivaonoro, Rajosia, Rajeremia mpanoratra » Ary izao no teny nampitondrainy azy ireo hotoriany : ny « FIBEBAHANA » (Matio 4/17) sy ny « FITIAVANA » (Jaona 13/34-35). Rehefa nilazana ny fanendrena Rasoamanga vadin-dRajeremia dia nandà tsy handeha izy ka voakapok’Andriamanitra : maty ny zanany atao hoe « DANIELA » niboraka ny tsinainy.
Niaraka tamin’izay dia nandeha niatsinanana ho any Ambodirano izy mivady, ary nahita olona nibebaka tao rehefa nitory hoe « Mibebaha fa resy ny aody sy ny fanompoan-tsampy rehetra, fa jesosy no mahery ». Enina mianadahy ny olona nibebaka tao, dia : Rajaona sy Ravavisitera vadiny, Radavidra sy Rasianarivelo vadiny ary Rajosefa sy Ramariasitera vadiny.
Rahefa nihamaro ny olona, dia hoy Rainisoalambo : « Angony ny olona Rajeremia, dia manaova trano Fiangonana ianareo ». Tamin’ny 21 Oktobra 1900, dia nanao Fiangonana rotsopotaka izy ireo. Ary rehefa vita ny trano Fiangonana tami’ny 1900, dia nantsoina Rainisoalambo sy ny Apostoly tany Ambalavato Ambatoreny hitokana azy. Ary rehefa vory maro ny olona tamin’io fotoana io, dia nisy fitoriana tonga avy tany Fianarantsoa hisambotra an-dRainisoalambo mianakavy fa natao hoe manao « raharaha fikomiana izy ». Dia namonjy ny fiantsoana teny Fianarantsoa Rainisoalambo sy Rainitiaray ary Rajeremia miaraka amin’ny Apostoly vitsivitsy. Dia natao ny famotorana hoe : « inona izao nataonareo izao Rainisoalambo ? » Tsy manao inona izahay tompoko, fa nanao trano Fiangonana ka nahavita ary hitokana azy amin’ny fivavahana ».
RATOVONONY tao Nasandratrony no governora tao Fianarantsoa tamin’io fotoana io. Dia hoy izy tamin-dRainisoalambo mianakavy : « Mandehana ianareo ka manorena Fiangonana any Ambanivohitra any fa zava-baovao izao ataonareo izao anefa tandremo sao mampi-tabataba fanjakana ».
Nanao fampandraisana ny Fanasan’ny Tompo Rainisoalambo tamin’ny volana Avrily 1902 rehefa nahazo kaopy volafotsy nomen’olona avy any Antananarivo. Nisy valo ambiny folo (18) ny mpandray Fanasan’ny Tompo tamin’izany. Tamin’ny andro alarobia manaraka io fandraisana io, dia nanao batisa indray Rainisoalambo. Vehivavy anan-kiray no nataony batisa io, ary izao no teny nataon-dRainisoalambo : « Ny herin’Andriamanitra no homba anao amin’ny fidiranao sy ny fivoahanao ». Izao no mariky ny mpanompon’Andriamanitra, dia ny mahafoy ny fomban’izao tontolo izao. Moa foinao va izany asan’ny devoly sy ny fombany rehetra izany Ravehivavy ? Dia hoy Ravehivavy : Eny Tompoko, foiko ireo.
Rehefa vita izany dia nampianatra ny Apostoly indray Rainisalambo. « Fanorenana izao tontolo izao hoy Rainisoalambo, fa hianareo no hampitatra sy hampitombo azy ».
Izany no antony, anaovan’ny Mpianatry ny Tompo rehetra manerana ny Nosy Fotoam-pivavahana lehibe ho fahatsiarovana ny nilatsahan’ny FANAHY MASINA tamin’ny Dada RAINISOALAMBO telo ambiny folo (13) mianadahy. Ary tsarovana isan-taona izany.
Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.
Fiangonan’ny Fifohazan’ny mpianatry ny tompo Soatanana eto Madagasikara,niandoha tao Ambatoreny
© 2024 Created with FITIATECH