FANDAHARANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA AMIN'NY FANDRAISAM-BAHINY
FANDRAISAM-BAHINY
Fandaharana handraisana ireo vahiny na amin’ny fotoana andavan’andro izany na amin’ny fotoana hisian’ny fiforiana
Hira 3 « misaora an’i zanahary »
VAVAKA
HIRA 468 « Falifaly ny fonay raha mahita anareo »
VAVAKA
HIRA 501 « Arovy aho Tompo »
Fanasana tongotra: toerana malalaka efa nomanina mialoha ny hanasana ny tongotra nyvahiny .
HIRA TSY ANKIATO noataon’ny mpianatr ny Tompo mandritra ny fotoana hanasana tongotra ny vahiny.
REHEFA VITA NY FANASANA NY TONGOTRA dia MIDITRA AO AMIN’NY EFITRA EFA VOAOMANA NY VAHINY
ROSOANA SAKAFO NY VAHINY
HIRA TSY ANKIATO no ataon’ny mpianatry ny Tompo mandritra ny fotoana hampisakafoanana ny vahiny.
Rehefa vita ny sakafo dia TONDRAHANA HANADIO TANANA SY HIONTSAM-BAVA ny vahiny rehetra
Hira 270 « Avia Jehovah Tomponay »
FAMPIANARANA
Hira 500 « fa ny teny renay any »
Jaona 13/ 34 - 35
Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.
Fiangonan’ny Fifohazan’ny mpianatry ny tompo Soatanana eto Madagasikara,niandoha tao Ambatoreny