FANDAHARANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA AMIN'NY FIARETAN-TORY
FIARETAN-TORY
Isaky ny TALATA sy SABOTSY Dinidinika fanentanana ny olona handray anjara amin’ny vavaka, vakiteny, hiresaka Fampianarana ; indrindra mba hitandro ny Fahamasinana ka hanao hira milamina vokatry ny fo.Aoka tsy hisy hamono ny lahin-jiro manentona.
Vavaka ataon’ny Mpitarika
Hira 270« Avia Jehovah Tomponay»
Vavaka ataon’ny Vehivavy 2 na 3 mifandimby
Hira 110« Avia Fanahy ô»
Vavaka ataon’ny Lehilahy 2 na 3 mifandimby
Hira 109«Ry Fanahy Masina ao Ambony»
FAMPIANARANA
Hira 317 « Jesosy ô, avia midina»
Vavaka
FOTOA-MALALAKA, HIRA SY VAVAKA mifandimby, elanelanin’ny Vakiteny na Fampianarana arakaraka izay hanetsehan’ny Fanahy ny olona
FAMARANANA NY FOTOANA ;HIRA 309 « Mandrahona ahy ny maizina» Vavaka nampianarin’ny Tompo (iarahan’ny rehetra manao)
Hira 501 « Arovy aho Tompo»
Jaona 13/ 34 - 35
Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.
Fiangonan’ny Fifohazan’ny mpianatry ny tompo Soatanana eto Madagasikara,niandoha tao Ambatoreny