FANDAHARANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA NY ALAHADIN'NY DIRECTION REGIONALE

ALAHADIN'NY D.R

Alahady faharoa amin’ny volana May.
Fotoana natao hitondrana amim-bavaka ny asan’nyTale Rezionaly. Amin’io koa no hanaovana «RAKITRA » hanampiana azy amin’ny saran-dàlana hamangiany ireo sekoly izay iandraketany. Entanina koa isika hanao vokatra ny Asabotsy mialoha io daty io.Toy izao ny fandaharana ny fotoana anio:
  1. Vakina ny « Vavaka napetrak’i Dada RAINISOALAMBO »
  2. Hira 15 «Mitsangana ka mihazava!»(am-pitsanganana)
  3. Vavaka sy Vakiteny (Jaona 14 / 12 – 17; 26)
  4. Hira 360 «Indro ny anjara tsara»
  5. Vavaka sy Vakiteny (Isaia 60 / 1 – 2; 18 – 22)
  6. Hira 310« Tompo ô ,indreto ny tanoranao»
  7. Vabaka sy Vakiteny  (Salamo 111/ 10; I Tim 4 /12; 16)
  8. Hira 118 « Ry Fanahy Mpanazava»(am-pitsanganana)
  9. FAMPIANARANA (Jaona 13 / 34 – 35)
  10. Rakitra (Hira 460… sns)
  11. Vavaka ho an’ny Rakita
  12. Hira 417 « Ny Tompo Jesosy no mibaiko ny mino» (am-pitsanganana)
  13. TSODRANO
  14. Hira 496 « Voninahitra any amin’ny Avo Indrindra»

Jaona 13/ 34 - 35

Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.

Fiangonan’ny Fifohazan’ny mpianatry ny tompo Soatanana eto Madagasikara,niandoha tao Ambatoreny

Fifandraisana

© 2024 Created with FITIATECH