FANDAHARANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA NY ALAHADIN'NY PASKA
Ny PASKA
Fahatsiarovana ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty, hanaovana fotoam-pivavahana sy vokatra hanohanana ny fitoriana ny filazanatsaraany amin’ny tany maizina
Vakina ny « Vavaka napetrak’i Dada RAINISOALAMBO »
Hira 259 « Ry Kristianina,mba mivondrona »(am-pitsanganana)
Fanazavana manokana ny PASKA ho fanaterana Rakitra sy Vokatra ho an’nyFitoriana ny Filazantsara any amin’ny « Tany maizaina »
Rakitra (hira 73, 74, …sns)
Vavaka ho an’ny Rakitra
Hira 408 « Moa inona ange no mba vitako e!» (Atao a-pitsanganana)
TSODRANO
Hira 258 « Mamy ny firaisan-kina »
Ny Alatsinain’ny PASKA no voatokana hanaovana LAVANTIM-BOKATRA.
Jaona 13/ 34 - 35
Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.
Fiangonan’ny Fifohazan’ny mpianatry ny tompo Soatanana eto Madagasikara,niandoha tao Ambatoreny