FANDAHARANA NY FOTOAM-PIVAVAHANA NY ALAKAMISY MASINA

ALAKAMISY MASINA

Fotoam-pivavahana ho fahatsiarovana ny Fasanan’ny Tompo

  1. Vakina ny « Vavaka napetrak’i Dada RAINISOALAMBO »
  2. Hira 61 «Jesô Mpamonjy,ilay tompony tompon’ny aina  »(am-pitsanganana)
  3. Vavaka sy Vakiteny (Mation 26 / 6-29)
  4. Hira 172 «Tonga Jesosy Mpamonjy ny very»
  5. Vavaka sy Vakiteny (Mation 26 / 36-56)
  6. Hira 68 « Tazano an’io Getsemane»
  7. Vabaka sy Vakiteny  (Matio 26 / 57 – 75)
  8. Hira 65 « Ny hazo fijaliana no mitory fahoriana»(am-pitsanganana)
  9. FAMPIANARANA (Matio 26 / 6 – 29)
  10. Rakitra (Hira 67, 68, 77… sns
  11. Vavaka ho an’ny Rakita
  12. Hira170 « Ny fonenana an-danitra ao» (am-pitsanganana)
  13. TSODRANO
  14. Hira 501 « Arovy aho  Tompo»
  15. FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO (Araka ny fandaharana ao amin’ny Litorjia)

Jaona 13/ 34 - 35

Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.

Fiangonan’ny Fifohazan’ny mpianatry ny tompo Soatanana eto Madagasikara,niandoha tao Ambatoreny

Fifandraisana

© 2024 Created with FITIATECH