Ary na inona na inona no ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin’ny alalany.
Ity Fifohazana’ny Mpianatry ny Tompo ity dia tsy toy ny teo aloha intsony, ka hiditra amin’izay mandray azy manatona azy, fa efa tonga MISONA toy ny antokom-pinoana misy : Katolika, FLM, FJKM… na akambana amin’izay Fifohazana vaovao. Tsy avonavona na rehareha, fa mijoro ary mitana ny FAMPIANARANA izay napetraky ny FANAHY MASINA ka nampanaovin’ny an’i Dada Rainisoalambo 13 mianadahy tany am-piandohana :
Ingahy RAINISOALAMBO, dia nanao sy nitondra ary nampitatra araka izay azony natao, sy izay anjara nomena hataony. Ary rehefa hiala amin’izao fiainana izao izy, dia nikarakara mafy sy nametraka SOLO hitondra sy hiadidy izao Fanjakan’Andriamanitra izao
Izay niatombohan’ny Fifohazana voalohany tamin’ny taona 1893 ; fa ny nilatsahan’ny FANAHY MASINA dia tamin’izy 13 mianadahy, ka nanaovany FANEKENA tamin’ny 9 juin (17 Adimizana) 1895 ; io no tsarovana isan-taona ka tantaraina isaky ny 9 juin
Dia nametraka sy nikarakara izay hisolo azy izy, ka nanafatra fa hisy fivoriana ho an’ny Fifohazana, dia ny 9 juin sy ny 10 Aout izay tsy mbola nisy akory tamin’izany, ka nametraka teny 15 Loha izay hoheverin’ny fivoriana rehefa tongan y 10 Aout 1904.
Soatanana Ingahy Rainisoalambo ary nalevina ny Asabotsy 2 jolay 1904 ka tsy nanatrika ny niatombohan’ny 10 Aout izay naoriny.
Izany ary tompoko no azo ambara, ka anjarantsika ny manatanteraka izay voalaza ato
Ny zavatra mampieritreritra anefa dia ity :
Hoy i Dada Rainisoalambo teo am-pialan’ny ainy farany : « Tandremo dia tandremo ny volan’ny Fifohazana fa VOLA MASINA »
Hoy ihany koa izy nanao hoe : « Ary izaho dia milaza aminareo fa vita ny anjara izay nomen’Andriamanitra hataoko, ka tsy misy tsy voalazako aminareo na inona na inona. Ka handeha amin’izay handehanako aho, ary indro ny FAMPIANARANA, ka izay hitàna, dia mitanà, ary izay hanary, manaria ».
Dia mamangy sy manao veloma anareo amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompo izahay
Koa amin’izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefa be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo (I Kort 15/58).
« Fa ny mpananatra dia ny Fanahy Masina, izay irahin’ny Ray amin’ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo ». (Jaona 14/26)
Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.
Fiangonan’ny Fifohazan’ny mpianatry ny tompo Soatanana eto Madagasikara,niandoha tao Ambatoreny
© 2024 Created with FITIATECH