IREO RAIAMANDRENY NIFANDIMBY NITONDRA NY FIFOHAZANA

DADA RAINISOALAMBO SOATANANA

Dada RAINISOALAMBO

1894 -1904

Izy no Raiamandreny nitondra ny voalohany ny Fifohazana, nanomboka tamin’ny taona 1894 no nitondrany fy Fifohazana ary nifarana tamin’ny taona 1904 rehefa nodimandry izy tamin’ny 30 Jona 1904, teo amin’ny 10 taona teo no nitondrany izao Fifohazana izao.

Dada RAINITIARAY

1904 -1919

Izy indray no Raiamandreny nitondra ny Fifohazana, rehefa nodimandry i Dada RAINISOALAMBO, nanomboka tamin’ny taona 1904 no nitondrany ny Fifohazana ary nifarana tamin’ny taona 1919 rehefa nodimandry izy tamin’ny 20 Jona 1919, teo amin’ny 15 taona teo no nitondrany izao Fifohazana izao. 

Dada RAGOSTINA

1919 -1930

Izy no Raiamandreny fahatelo nitondra izao Fifohazana izao, rehefa nodimandry i Dada RAINITIARAY, nanomboka tamin’ny taona 1919 no nitondrany ny Fifohazana ary nifarana tamin’ny taona 1930 rehefa nodimandry izy tamin’ny 30 Avrily 1930, teo amin’ny 11 taona teo no nitondrany izao Fifohazana izao. Tsara ny mampahafantatra fa ao Ilafy Antananarivo izy no nilevina.

Dada RAPETERA

1930 - 1932

Izy no Raiamandreny nandimby an’i Dada RAGOSTINA, nanomboka tamin’ny taona 1930 no nitondrany ny Fifohazana ary niafara tamin’ny taona 1932 rehefa nodimandry izy tamin’ny 20 May 1932 tao Ambondrona, marihina fa any koa izy no nilevina. Tsara ho fantatra fa dia 2 taona monja no nitondrany izao Fifohazana izao.

Dada RAJOELINA

1932 - 1960

Izy no Raiamandreny nandimby an’i Dada RAPETERA, nanomboka tamin’ny 10 Aogositra 1932 no nitondrany ny Fifohazana ary niafara tamin’ny taona 1960 rehefa nodimandry izy tamin’ny 26 Aprily 1960. Naharitra 28 taona teo no nitondrany izao Fifohazana izao.

Dada RANDRIANAIVO Benjamin

1960 -1987

Izy no Raiamandreny fahaenina nitondra izao Fifohazana izao,nandimby an’i Dada RAJOELINA, nanomboka tamin’ny 29 Jolay 1960 no nitondrany ny Fifohazana ary nifarana tamin’ny taona  1987 rehefa nodimandry izy tamin’ny 16 Aogositra 1987,teo  amin’ny 27 taona teo no nitondrany ny izao Fifohazana izao.

Dada RAMANOELY

1987 - 2002

Izy no Raiamandreny nandimby an’i Dada RANDRIANAIVO Benjamin, nanomboka tamin’ny 18 Oktobra 1987 no nitondrany ny Fifohazana ary niafara tamin’ny taona 2002 rehefa nodimandry izy tamin’ny 19 Septambra 2002, naharitra teo amin’ny 15 taona teo no nitondrany izao Fifohazana izao.

DADA RAVITA Petera Raiamandreny mitondrany Fifohazana niandohaha tao ambatoreny soatanana

Dada RAVITA Petera

Nanomboka tamin'ny 2002

Izy no Raiamandreny nandimby an’i Dada RAMANOELY, izy no nitondra izao Fifohazana izao nanomboka tamin’ny 12 Oktobra 2002 ka mandraka-ankehitriny.

Jaona 13: 34-35

Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.
Izany no ahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.

Jaona 13/ 34 - 35

Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.

Fiangonan’ny Fifohazan’ny mpianatry ny tompo Soatanana eto Madagasikara,niandoha tao Ambatoreny

Fifandraisana

© 2024 Created with FITIATECH