Dada RAINISOALAMBO no Raiamandreny voalohany nitondra izao Fifohazana izao nanomboka tamin’ny taona 1894 – 1904
Ny 10 Aout dia fivorian-dehiben’ny Mpianatry ny Tompo nametrahan’i Dada Rainisoalambo ny Fifohazana.
Raha mbola velona Dada Rainisoalambo dia izy ihany no nitarika ny raharaham-pifohazana ; miadidy ny asa nataon’ireo Iraka nalefa ireo. Tamin’ny voalohany dia tapa-bolana ihany no niasan’ny Iraka tamin’ny tany izay nanirahana azy dia niverina hanohy ny fianarana indray. Avy eo dia novana indray ka natao iray volana ny famoahana Iraka faharoa.
Ary tamin’ny famoahana fahatelo dia natao telo volana vao naverina. Ka taorian’izany dia natao ela araky ny fahalaviran’ny faritany. Tao anelanelan’izany anefa dia mba nandeha koa Dada Rainisoalambo nefa tsy dia lavitra loatra no nalehany fa taty Betsileo atsimo (Mahaditra ka hatrany Ambalavao Tsienimparihy). Taorian’izany izy dia nianavaratra ka tonga tany imerina. Ary tamin’izany diany izany, matetika izy no tafahoana tamin’ny Iraka ka niara-niasa taminy sady nanoro azy ireo torohevitra sy ny Fampianarana. Ny vetsovetson’i Dada Rainisoalambo farany dia ny amin’ny ho toetry ny Fifohazana amin’ny hoavy satria hitany ny fandrosoany sy ny fitombony, ny hamaroan’ny olona mandray ny Fifohazana ; nefa tsy miafina taminy koa ny zava-tsarotra mihatra amin’ny Fifohazana sy ny fahavalony maro samy hafa.
Nahavatra niaritory nivavaka mandritry ny alina tery an-tendrombohitra Fiadanana Dada Rainisoalambo.
Tsy tambo isaina ny olona niova, efa nifoha nandritra izay folo (10) taona izay. Dimampolo (50) no isan’ny Apostoly Iraka. Ary rehefa akaiky ny andro ahafatesan’i Dada Rainisoalambo dia nanapa-kevitra izy fa tokony hisy fivoriana hihaonan’ny solotenan’ny Mpianatry ny Tompo amin’ny volana May 1904.
Tao Ambatofinandrahana no nanaovana ny fivoriana. Io no fivoriana farany nataon’i Dada Rainisoalambo. Rehefa tafaverina izy dia namory ny Iraka tao Andranomalahelo Fianarantsoa ka nanao izao fanontaniana izao hoe: « Ianareo izay nirahina, tsy nitondra vatsy raha nitory ny Filazantsara, ka moa nisy tsy nihinana na tsy nitafy tompoko fa na dia ny tsy nanana lamba aza dia nomen’ny Tompo.»
Ianareo izay nantsoin’Andriamanitra hanana anjara amin’ity asam-panasoavana ity : iza no tsy nanehoan’Andriamanitra famantarana na fahagagana hinoany fa avy tamin’ Andriamanitra izao Fifohazana izao ? Valiny : Tsy nisy tsy nanehoany tompoko, fa samy nanehoany be. Dia hoy i Dada Rainisoalambo : « Ary amin’izao sisa izao, dia tsy famantarana na fahagagana intsony no hiasan’izay hiasa amin’ity Fifohazana ity fa FINOANA, ka izay mino no hiasa amin’ity. Ary izaho izao dia milaza aminareo fa vita ny anjara asa izay nomen’Andriamanitra ahy hataoko ka tsy misy tsy voalazako taminareo na inona na inona, koa dia handeha amin’izay handehanako aho.
Izao avy ny Fampianarana natolotry ny Fanahy Masina ahy hoy i Dada Rainisoalambo ka ampianarina mba ho tandreman’ny zanaky ny Fifohazana rehetra. Asa tany, fambolena zavatra maro karazana, fihinana, fanaovana saha, fambolena hazo fihinam-boa. Nampianariny koa ny firaisana , ny fifankatiavana , ny fanetretena , ny fotoam-pivavahana in-telo isan’andro (maraina vao mifoha, tolakandro tokony ho amin’ny efatra ora , ary amin’ny alina alohan’ny hatory) , fivavahana mitokana amin’ny mangingina , fivavahana tsotra fa tsy atao lava , fanadiovana ny tena na ny tokantrano na ny fitafiana : ny tena mandro matetika , ny trano ; diovina koa ny sakafo sady tandremana mba tsy hisy ho very ary ny fitafiana ho tsotra (akanjo didimananjara ; ny didy akanjo ho lava ; ny didy folo hotandremana. Ireo hoy izy ny fampianarana avy amin’ny Fanahy Masina ka izay tsy mitana ireo dia tsy olona mifoha fa mbola matory. Ka indro ary ny FAMPIANARANA, « izay mitàna dia mitàna ary izay hanary manarià.»
Rehefa nampahafantarin’Andriamanitra an’i Dada Rainisoalambo ny andro hahafatesany dia nieritreritra tao am-pony izy hoe : iza no hametrahako ity Fifohazana ity rahefa maty aho ? Hapetrako amin-dRajeremia sy Rainitiaray ity !!! Olombelona tahaka ahy koa ireo ka tsy maintsy ho faty. Dia tonga ao an-tsainy ny hanao fivoriana sy hamolavola hevitra. Ka ny teny dimy ambiny folo (15) loha no voavolavolany ; ary ny 10 Aout izay hatao amin’ny taona 1904 no fivoriana noheveriny hametrahana ny Fifohazana.
Tonga ny fara ady ; narary i Dada Rainisoalambo voan’ny areti-tratra, sery ratsy miharo kohaka no namely azy. Ary izao no teniny farany : « Tandremo dia tandremo ny volan’ny Fifohazana, fa VOLA MASINA. Dia nifandray tanana nifanao veloma farany izy sy ny olona nanatrika azy teo tamin’ny alakamisy 30 Jona 1904 tamin’ny 8 ora alina dia nodimandry i Dada Rainisoalambo ary ny Asabotsy 2 jolay no nandevenana azy.
Hatramin’ny tapaky ny volana jolay io no efa niatombohan’ny fahatongavan’ny vahiny avy any Imerina hamonjy ny 10 Aout. Ka mandrapahatonga ny fotoana, dia nibosesika ihany ny vahiny. Ary ny vahiny izay tonga teto Soatanana dia samy notsenaina tamin’ity Fifohazana ity. Tao ny Loterana sy ny Protestanta ary ny Katolika. Ny Pastora sy ny Evanjelista ary ny mpanao taozavatra ; ny mpivarotra sy ny mpiasa tany ary ny mpiompy ; ny apostoly sy ny mpampianatra. Tafaray teto ny fokom-pirenena samy hafa eran’ny Nosy. Ny firaisana sy ny fifankatiavana no nanjaka hatrany hatrany. Naharitra efatra (4) andro ny fivoriana ary nisy telo arivo (3000) no isan’ny mpivory.
Ny atoandro no nandinihana ny teny 15 loha napetra-dRainisoalambo fa ny alina kosa no nanaovana ny fotoam-pivavahana. Nanomboka tamin’ny 9 ora alina ny fotoam-pivavahana.
Nalahelo ny olona tamin’ny tsy nahitana an’i Dada Rainisoalambo. Kanefa hoy Rainitiaray : « aza malahelo ianareo, fa maty Mosesy dia handimby kosa Josoa ». Niaraka tamin’izay dia nitsatoka tamin’i Dada Rainisoalambo ny fon’ny mpivory rehetra fa izy no ho Rainisoalambo.
Ny anton’ny fivoriana dia ny handinihana ny teny 15 loha napetrak’i Dada Rainisoalambo, ka dia nifidy olona folo (10) lahy nalaina isam-paritany handinika ireo. Nametraka olona telo (3) lahy koa Dada Rainisoalambo hiresaka ny fampianarana amin’ny olona mpivory tamin’ny 10 Aout 1904, dia Rainitiaray, Radaniela ary Rajeremia.
Tsy nisy nolavina ny teny 15 loha fa nekena daholo afa-tsy ny amin’ny Betsiriry izay nampiteny an’i Dada Rainisoalambo fony fahavelony raha tsy nalefan’ny Mpianatry ny tompo any ny volan’ny Fifohazana nohon’ny fandrosoan’ny fanjakan’Andriamanitra tany ka nitenenany hoe ; « Raha mamboly hazo moa hianareo, ny inona no tondrahana ? Ny rantsany ve sa ny fotony ? Valiny : ny fotony tompoko. Ka tamin’izany fotoana izany dia nisy iraka niasa tany ka naasain’i Dada Rainisoalambo naverina nohon’ny tsy fahatsiarovany ny fotoana. Io tenin’i Dada Rainisoalambo nanao fanontaniana sy nampamerina Iraka io no nahatonga ny tenin’ny Komity tamim-pisalasalana ny momba an’i Betsiriry hoe ny asan’ny Betsiriry dia mbola hotohizana ihany. Ka ny andininy fahafito (7) amin’ny toko fahavalo (8) ny teny 15 loha izay manao hoe : Amin’ny herintaoana toy izao dia angatahina hianareo zanaky ny Fifohazana rehetra mba hanatitra vokatra eto amiko na vola na lamba na akanjo na pataloha fa maro zanaka tsy mitafy aho hoy ny 10 Aout. Ilaiko koa ny vary na mofo, na kajaha na vomanga indrindra fa ny biby fiompy toy ny omby na kisoa na ondry. Na akoho na vorona sy ny sisa satria manana zanaka maro avy amin’ity filazan-tsara aho.
Ka dia notanterahin’ny olona mpivory tonga teto Soatanana io andininy fahafito (7) voalaza io tamin’ny 10 Aout 1905.
Ka ity fivorian’ny 10 Aout ity no miadidy ny Fifohazana sady mandidy ny Fifohazana. Izy no hangatahan’izay mangataka ary haniraka ny Iraka amin’izay mangataka.
Dia nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo ny fivoriana.
Ny komitin’ny 10 Aout dia manomboka tamin’io fivorian’ny 10 Aout 1904 io ka hatramin’ny andron’i Dada RAJOELINA.
Noho ny fanandrata-tena nisy taminn’ireo olona ireo fa tsy mba nazoto nanovo Fampianarana avy amin’ny Iraka eto an-toby izy ireo, dia nofoanan’i Dada Ramanoely, dia mbola nisy koa ny sasany azon’io fanandrata-tena io fa niady ho Raiamandreny ka nahatonga an’i Dada Ramanoely nanova ny anaran’ny komity 10 Aout ho Filan-kevi-pitondrana ary mitohy mandraka ankehitriny amin’izao andron’ny Raiamandrenintsika izao, izany anarana Filan-kevi-pitondrana izany.
Izany no antony anaovan’ny mpianatry ny Tompo rehetra manerana ny Nosy Fotoam-pivavahana lehibe ho fahatsiarovana ny nametrahan’i Dada RAINISOALAMBO ny FIFOHAZANA. Ary tsarovana isan-taona izany.
Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.
Fiangonan’ny Fifohazan’ny mpianatry ny tompo Soatanana eto Madagasikara,niandoha tao Ambatoreny
© 2024 Created with FITIATECH