F.F.S.M SOATANANA

FIANGONAN'NY FIFOHAZAN'NY MPIANATRY NY TOMPO SOATANANA ETO MADAGASIKARA

NIANDOHA TAO AMBATORENY (F.F.S.M) |

Ity Fifohazana’ny Mpianatry ny Tompo ity dia tsy toy ny teo aloha intsony, ka hiditra amin’izay mandray azy manatona azy, fa efa tonga MISONA toy ny antokom-pinoana misy : Katolika, FLM, FJKM… na akambana amin’izay Fifohazana vaovao. Tsy avonavona na rehareha, fa mijoro ary mitana ny FAMPIANARANA izay napetraky ny FANAHY MASINA ka nampanaovin’ny an’i Dada Rainisoalambo 13 mianadahy tany am-piandohana 

Kolosiana 3 / 17

Ary na inona na inona no ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin’ny alalany.

DADA RAINISOALAMBO SOATANANA

RAIAMANDRENY NIANDOHAN'NY FIFOHAZANA

Dada RAINISOALAMBO

IREO FAMPIANARANA IRAISANTSIKA FIFOHAZANA MANERANA NY NOSY

Ka indro ary ny FAMPIANARANA, « izay mitana dia mitana ary izay hanary manaria. »

Matio 4 /16-17
Ny nankanesan’i Jesosy tany Galilia.

  1. Ny olona izay nitoetra tao amin'ny maizina dia nahita mazava lehibe; Ary izay nitoetra tao amin'ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan'ny fahazavana (Isa. 8. 23; 9. 1).
  2. Ary tamin'izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.
Lioka 21/ 34-36
Ny nanambaran’i Jesosy ny handravana an’i Jerosalama, sy ny hihaviany indray.

34. Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran'ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian'izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. 35. Fa hihatra amin'izay rehetra mitoetra etỳ ambonin'ny tany rehetra izany. 36. Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery ianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona.

Jaona 13 /34 - 35
Ny nanondroan’i Jesosy izay hamadika Azy, sy ny nialan’i Jodasy.

34 Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. 35 Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.  

Matio 18 / 1-4
Ny nampianaran’i Jesosy ny mpianany hanetry tena sy hamela ny heloky ny namany, sy ny fanoharana ny amin’ny mpitrosa tsy nanan-kaloa.

1 TAMIN’izany ora izany dia nankeo amin’i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Iza moa no lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra? 2 Ary Jesosy niantso zazakely anankiray hankeo aminy, dia nametraka azy teo afovoany 3 ka nanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha tsy miova hianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy hianareo. 4 Koa na zovy na zovy no hanetry tena tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra.  
Lioka 21/ 19
Ny nanambaran’i Jesosy ny handravana an’i Jerosalama, sy ny hihaviany indray.

19 Amin’ny faharetanareo no hahatananareo ny ainareo.
Jaona 14/ 12-17
Ny nampiononan’i Jesosy ny fon’ny mpianatra, sy ny nilazany ny amin’ny Fanahy Masina.

12 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ny Ray. 13 Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin’ny Zanaka. 14 Raha mangataka zavatra amiko amin’ny anarako hianareo, dia hataoko izany. 15 Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko. 16 Ary Izaho hangataka amin’ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, 17 dia ny Fanahin’ny fahamarinana, Izay tsy azon’izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa hianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.   akaiky ny fanjakan'ny lanitra.
Jaona 17 / 21-23
Ny vavaka nataon’i Jesosy ho an’ny mpianany.

21mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan’izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy. 22 Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika: 23 Izaho ao aminy, ary Hianao ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr’izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy.
I Petera 1/ 13-17
Fiarahabana, sy filazana ny amin’ny fahatsaran’ny fanavotana.

13 KOA amin’izany sikino ny sainareo, dia mahonòna tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy; 14 tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena araka ny filanareo fahiny tamin’ny tsi-fahalalanareo; 15 fa araka ny fahamasinan’Ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa hianareo amin’ny fitondrantena rehetra, 16 satria voasoratra hoe: ,,Ho masina hianareo, satria masina Aho’’ (Lev. 11. 44). 17 Ary raha Ilay tsy mizaha tavan’olona, fa mitsara araka ny asan’izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin’ny fahatahorana mandritra ny andron’ny fivahinianareo etỳ.
I Timoty 3 / 1-7
Ny amin’ny olona miendrika hatao mpitandrina sy diakona.

1 MAHATOKY izao teny izao: Raha misy olona maniry ny asan’ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy. 2 Koa ny mpitandrina dia tsy maintsy ho tsy manan-tsiny, manam-bady tokana, mahonon-tena, hendry, tia filaminana, mampiantrano vahiny, mahay mampianatra, 3 tsy mpimamo lian-ady, tsy mpikapoka, fa mandefitra, tsy mpila ady, tsy mpitia vola, 4manapaka tsara ny ankohonany, mampanaiky ny zanany amin’ny fahamaotinana tsara ( 5 fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fitandrina ny fiangonan’ Andriamanitra?), 6 tsy izay zazavao amin’ny fivavahana, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin’ny fahamelohan’ny devoly. 7 Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin’izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin’ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly.

Mation 25/ 31 - 46

Ny hihavian’i Kristy hitsara ny firenena rehetra.

31ARY raha tonga ny Zanak’olona amin’ny voninahiny, arahin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianan’ny voninahiny Izy; 32ary ny firenena rehetra hangonina eo anatrehany, dia hanavaka azy Izy, tahaka ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy; 33ary hametraka ny ondry eo amin’ny ankavanany Izy, fa ny osy eo amin’ny ankaviany. 34Ary amin’izany ny Mpanjaka dia hilaza amin’izay eo amin’ny ankavanany hoe: Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao; 35fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo; 36tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-trano-maizina Aho, dia novangianareo. 37Ary dia hamaly Azy ny marina ka hanao hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao ka nomenay hanina, na nangetaheta ka nampisotroinay? 38Ary oviana no hitanay nivahiny Hianao ka nampiantranoinay, na tsy nanan-kitafy ka notafianay? 39Ary oviana no hitanay narary Hianao, na tao an-trano-maizina, ka novangianay? 40Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko. 41Ary dia hilaza indray amin’izay eo amin’ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, hianareo izay voaozona, ho any amin’ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny; 42fa noana Aho, fa tsy mba nomenareo hanina; nangetaheta Aho, fa tsy mba nampisotroinareo; 43nivahiny Aho, fa tsy mba nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, fa tsy mba notafianareo; narary sy tao an-trano-maizina Aho, fa tsy mba novangianareo. 44Ary dia hamaly kosa ireo hoe: Tompoko, oviana no hitanay noana Hianao, na nangetaheta, na nivahiny, na tsy nanan-kitafy, na narary, na tao an-trano-maizina, ka tsy mba nanompo Anao izahay? 45Fa hamaly azy Izy ka hanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko. 46Ary ireo dia hiala ho any amin’ny fampijaliana mandrakizay; fa ny marina ho any amin’ny fiainana mandrakizay.

DADA RAVITA Petera Raiamandreny mitondrany Fifohazana niandohaha tao ambatoreny soatanana

RAIAMANDRENY SADY PREZIDA

Dada RAVITA Petera

Izy no Raiamandreny mitondra ny Fifohazan’ny mpianatry ny Tompo manerana ny Nosy izay niandoha tao Ambatoreny Soatanana.

ADIRESIN’NY RAIAMANDRENY IZAY ANDEFASANA NY VOLAN’NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRAAO AMIN’NY FOIBEN-TOERANA:

Ny fanjakan'Andriamanitra eto an-toby Soatanàna

Jaona 13: 34-35
Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no ahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.

NY TRANO FIRAKETANA

« Feno ny voninahitr'i Jehovah ny trano » (II Tant 7 : 1 )

NY CHAPELLE AO SOATANANA

NY LYCEE PRIVE RAINISOALAMBO

ao Antaninarenina (Soatanana II)

FORMATION SANITAIRE PRIVE RAINISOALAMBO

« Mitsangàna, mihazavà fa tonga ny fahazavanao.(Isaia 60 / 1 - 3)»

Jaona 13/ 34 - 35

Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.

Fiangonan’ny Fifohazan’ny mpianatry ny tompo Soatanana eto Madagasikara,niandoha tao Ambatoreny

Fifandraisana

© 2024 Created with FITIATECH